Actualités

Ady amin’ny dahalo Misy zandary mihinan’olona ?


  • Talata 08 Desambra 2015

Mba ho fiarovana tanteraka ny « présomption d’innocence »-n’ity zandary manamboninahitra voaresaka ato anaty lahatsoratra ity dia nataonay fanahy iniana ny tsy namoaka ny toerana nisehoan’ny tantara sy ny mombamomba azy

 


 

. Ny fanadihadian’ny zandary  izay nampanantena ny  hanao izany no hahafantarantsika ny tena marina.

Misotro ran’olombelona

Tantara  mampivarahontsana sady  tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra  raha tena voamarina. Manamboninahitra zandary iray izay tena  malaza amin’izao  fotoana izao  amin’ny famongorana ny asan-dahalo no voatondro fa mihinan’olona manta. Tsy te hino ity tantara ity avokoa izay naheno kanefa dia malaza any  amin’ny toerana misy azy  izany vaovao  hafahafa izany. Mitazona fanafody mahery vaika, hono, ity manamboninahitra  zandary ity ka ny fanahy mipetraka ao aminy no mitaky  ran’olombelona. Vonoiny amin’ny  “poignard”  ny olona voalaza fa  dahalo tratra dia ambaran’ireo izay nahita fa sotroiny ny ran’ilay olona  rehefa avy notatazany tamin’ny vera. Misy olona hafa indray  mijoro vavolombelona nahita  ity zandary ity nihinana fon’olona  mihitsy. Ny sasany nilaza  nahita azy  nisakafo  tao anatin’ny  « boite crânienne » ny olona novonoiny. Manao izao fihetsika izao, hono, ity manamboninahitra zandary ity mba hampitahorany ny dahalo tratrany ka tsy vitsy ny teraka maloto eo  am-pahitana izany rehetra izany. Ny  zaza  mitomany  aza, hono,  rehefa anononana ny  anaran’ilay zandary dia  mangina avy hatrany. Olona telo samy hafa no nitatitra ny vaovao taminay  fa ny fahatelo nilaza fa tsy nisy ilay  nihinana fon’olona fa vava be  nataon’ilay manamboninahitra fotsiny ihany. Fa ilay nisotro ra kosa dia nambaran’ity  vavolombelona farany tafaresaka  taminay fa nataon’ity zandary ity  tokoa fa  ilay antsy misy ra no nolelafiny.

Misokatra ny fanadihadiana

Ny teo  anivon’ny zandarimariam-pirenena rehefa nilazana ny vaovao dia nangataka ny mba hilazana amin’izy ireo ny anaran’ilay  olona sy ny toerana nanaovany ilay fihetsika  mampihoron-koditra hanokafana ny fanadihadiana na tena  misy marina  na  laza  masaka natao hampitahorana ny dahalo fotsiny ihany. Efa mafy sy tsy  ahitam-bahaolana intsony ve  ity ady amin’ny   asan-dahalo ity  no  mahatonga ny mpitandro ny filaminana manao  zava-mampihoron-koditra toy izany ? Ny  fandre matetika mantsy dia ny  dahalo no mandoatra zazakely vao any an-kibon’ireny bevohoka  ireny mba hangalana ny mason’ilay tsy mbola nahita  masoandro hatao fanafody maso  be tsy mahita fa ity zandary mihinan’olona  ity  dia vao sambany no re.  Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana.


Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT