Actualités

Ady amin’ny dahalo Hahery vaika ny hetsika hataon’ny foloalindahy


  • Zoma 28 Aogositra 2015

Efa tena fihantsiana atao amin’ny tafika sy ny firenena malagasy mihitsy ny famonoana ireo miaramila tany Ankazoabo atsimo

 


 

, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina omaly tamin’ny mpanao gazety teny Ampefiloha. Tsy maintsy handray ny andraikiny fa tsy afaka ny hipetra-potsiny amin’izao ny fitondram-panjakana hoy izy, fa tena tsy azo ekena ny zavatra tahaka ireny. Mazava ny resaka izany fa dia ho avy ny fitondram-panjakana amin’ny angady sy ny harona ary dia ho avy indray ny « Opération » goavana tsy an-kitsitsy hanenjehana ireo dahalo any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny. Efa fantatra izao fa tsy misomonga ny dahalo ary maro an’isa sy manana fitaovam-piadiana raitra, koa heverina fa tsy miaramila 10 na 20 no halefa hanara-dia mpangalatr’omby fa dia ho avy any atsimo mihitsy ny andian-tafika hiady amin’ny dahalo, ny fotoana handehanany fotsiny no tsy fantatra mazava. Re fa efa eo am-piketrehana ny paikady ireo be galona ao amin’ny tafika sy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT