Actualités

Advantista eny Soamanandrariny Mpibodo tany telo no voasambotra omaly


  • Alatsinainy 19 Jolay 2010

Olona telo izay samy lohandohany eo anivon’ny fikambanana Mifamelona, ivondronan’ireo olona 500 isa eo mibodo ny tanin’ny Advantista etsy Soamanandrariny no voasambotry ny zandary avy amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena eny Betongolo ny alahady 18 jolay maraina raha iny nihaodihaody nanara-maso ny teny amin’ny manodidina iny.

Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany ho any no nisehoan’izany, nandritra ny fotoam-pivavahana notontosain’ireo hery velona avy amin’ny Fiangonana Advantista eto an-drenivohitra ka nitondran’izy ireo fanazavana mikasika ny taniny. An-jatony ireo tonga nanohana ny antso, nahitana ireo tanora advantista marobe notarihin’i Voninahitsy Jean Eugène, izay niara-nirodorodo nifanome tanana nanamboatra ilay tamboho mirefy fito metatra banga ao atsinanana, toerana nahafahan’ireto mpibodo ireto niditra an-tsokosoko. Toromarika avy amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, araka ny fantatra, no nahafahan’ny Fiangonana nanatontosa izany dingana izany na dia nisy ihany aza ny disadisa. Tsy nanaiky mantsy fa tonga niaro ny famefena ity tamboho ity ireto andian’olona ireto. Niala maina anefa izy ireo rehefa tsy nahita hirika saingy niandry mandra-pahavitan’ny asa no sady nitombo isa.

Toraka izany koa ireo tanora advantista, izay fantatra fa nanao fiambenana alina mihitsy, niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza nanamafy ny fiangonana fa tsy handrava ny tranon’izy ireo mandrapaha ary mbola niantso tamim-pitiavana ny amin’ny tokony hanalan’izy ireo ny fitaovany ao amin’ity toerana ity. Tsiahivina fa efa nisy ny fisamborana ny ampahany tamin’ireto mpibodo tany ireto ny volana martsa taona 2009 ary somary nangingina ny raharaha. Raha vantany vao nanomboka anefa ny asa fanorenana ny trano hiasan’ny radio Oasis, radion’ny fiangonana Advantista dia niverina indray izy ireo ary izao niafara amin’ny fifandonana sy ny fifampitoriana izao.

Ny 19 Aogositra ho avy io, araka ny fantatra, no hiakatra fitsarana eo anivon’ny tribonaly misahana ny ady heloka ny fitoriana napetraky ny fikambanana Mifamelona mikasika ireo pastera eo anivon’ny fiangonana Advantista izay notondroin’izy ireo fa niteny ratsy sy nanevateva azy raha ny 09 Aogositra kosa no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ny fangatahan’izy ireo ny amin’ny hanafoanana ny “titre”-n’ny tany amin’ny anaran’ny fiangonana. Mandra-pahatonga izany dia fantatra fa hisy ny fihaonan’ny delegasiona avy eo anivon’ity fiangonana advantista ity amin’ny praiministra Camille Vital amin’ity anio ity raha rahampitso kosa ny anjaran’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany, hahafantarana izay ho tohin’ny raharaha.

 
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT