Actualités

Administratera sivily eto Madagasikara Marary ka mila vahaolana


  • Talata 25 Aogositra 2015

Noho ny fahatsapan’ireo administratera sivily maro fa tena marary ka mila tsaboina haingana ny antokon-draharaha misy azy ireo izay iray amin’ireo antsoina hoe “Grands Corps de l’Etat Malagasy”,

 

 dia tapa-kevitra fa hanao fihaonambe na “Assise Nationale” hiantsoana ireo administratera sivily tsy an-kanavaka manerana ny nosy izy ireo rahampitso alarobia 26 aogositra 2015. Mba hahafahana mamoaka ny tsoa-kevitra mamaritra ny tena aretin’ity antokon-draharaha ity izay angamba tena mahazo ny tsindry bokotra henjana sy ramatahora avy amin’ny fitondram-panjakana dia fantatra fa hizara vaomiera 4 ireo ho tonga handray anjara ka hifandinika an’ireo lohahevitra  efa nofaritana mialoha dia ny  Fijerena ny fitsipi-pifehezana sy fitondran-tenan’ny administratera sivily, ny fijerena ny fomba fidirana ao anatin’ny antokon-draharaha amin’ny ankapobeny, ny fijerena ny firaisankina sy ny  anjara toeran’ny administratera sivily eo amin’ny fandraharahana ary ny fanatsarana ny lafiny lalàna mifehy ny antokon-draharaha administratera sivily.  Marihina fa miandraikitra ny fandraharahana ankapobeny eny anivon’ny minisitera samihafa no asan’ny administratera sivily amin’ny ankapobeny sady miandraikitra ny fandraharahana ny lafin-tany eto Madagasikara ihany koa. Tsy tolona sendikaly no hotanterahina, araka ny fanamarihana azo omaly tetsy amin’ny FDL  Anosy, fa raharaha iombonan’ny administratera sivily iray manontolo ka izany no tsy nidiran’ny sendikan’ny administratera sivily sy ny CRAC tamin’ny fampiantsoana ity fihaonambe ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT