Actualités

Administratera sivily Ampiadian’ny Minisitry ny Atitany ?


  • Alakamisy 27 Aogositra 2015

Tsy nahomby ny fikasana hanampim-bava ny Synad na ny sendikan’ny Administratera sivily. Omaly dia nanao ny fivoriambeny tetsy amin’ny restaurant “Mon gouter ” tetsy Andrefan’Ambohijanahary izy ireo izay miasa eny anivon’ireo sampan’asa samihafa toy ny eny amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny eny amin’ny asam-panjakana sy ny lalŕna sosialy.

 
Hampanginina ny Synad ?

Raha ny  fototry ny  fiantsoana dia  ny  handinihana ny sata manokany no tena fototra niaingan’ny dinika saingy rehefa tena raikitra ny fivoriana dia nipoitra ny  hevitra te hampangina ny sendika tsy hahazo hiteny amin’ny anarany intsony. Tsy nitovy anefa ny hevitra satria nisy tamin’izy ireo no nanipika fa tsy afaka  hanampim-bava ny sendika ny  fivoriambe.  Ny niafaran’ny dinika dia hanao fangatahana izy ireo fa tsy tokony hiteny amin’ny anaran’izy ireo intsony ny sendika ary hisy komity  hajoro hanara-maso ny  vokatry ny  fihaonambe. Noresahana tao  ihany koa ny momba ireo lasa manao ity asa  sarotra ity  na dia tsy  nianatra teny amin’ny  sekoly ambony teny  Androhibe  aza. Ilay komity  mpanara-maso  ihany koa dia  hiandraikitra ny fanohanana  ilay volavolan-dalàna kasain’ny fanjakana hasiana fanovana eo amin’ny satan’izy ireo. Nisy tamin’ireo mpiasa izay mpikambana ao amin’ny sendika nanatrika ny fivoriana omaly izay nametraka ny ahiahiny fa  mety  vokatry ny  fanakianana matetika  nataon’ny Synad tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisitra no mety nahatonga izao fikarakarana fivoriambe izao. Ingahy minisitra mihitsy ary ve no mampiady ny samy Administratera sivily ?

 

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT