Tsy mbola misy mangirana ny momba ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) amin’ny fanomezana antoka azy ireo amin’ny hanomezana fahalalahana ny mpitsara amin’ny asa,
ka tsy hisian’ny tsindritsindry ataon’ny olom-panjakana isan-karazany. Tsy nampiova zavatra aloha ny fifampidinihana sy ny nananganana ny komity manokana izay ahitana ny avy amin’ny SMM, ny minisiteran’ny fitsarana, ary ny governemanta. Tsy nisy ny vahaolana satria ny eo anivon’ny minisitera mihitsy no sakana, hoy ny eo anivon’ny mpitsara. Hiroso amin’ny dingana mafimafy ny fitakiana ary hisy ny famondronana hery amin’ny firaisankinan’ny sendika (SSM) raha tsy misy ny vahaolana. Fanapahan-kevitra matotra amin’ny hanomezana antoka ny tsy hanaovana tsindry amin’ny mpitsara no andrasana, ka raha tsy tanteraka ny fandraisana fepetra hentitra amin’ny olona manohintohina ny asan’ny fitsarana. Efa ela ihany ny fitakiana, saingy toa iniana tsy raharahaina sy atao ambanin-javatra, ka rehefa hita mafy sy mafana vao mody taitra ny fanjakana. Raharaha maro izay tafiditra ao anatin’ny antony nisian’ny fitakian’ny SMM ny raharaha Claudine Razaimamonjy, Riana Andriamandavy VII,… saingy tsy hita izay tohiny. Nilaza kosa ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza nandritra ny fametrahana ny vato fehizoron’ny Tranoben’ny fampanoavana teny Anosy omaly fa mitohy ny fifampidinihana ary mandeha mizotra amin’ny fahatsarana. Toerana maro no hanaganana fotodrafitrasa ary misy ny efa vita toy ny any Vangaindrano. Hisitraka izany ihany koa i Fenoarivo Atsinanana, izay sady hahazo fonja,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.