Anisan’ny olana mitranga eny anivon’ny fiaraha-monina, indrindra fa ny eny amin’ny faritra iva ny adina mpivady.
Ho an’ny Fokontany Andraisoro manokana ao anatin’ny Boriborintany fahadimy raha araka ny fanadihadiana natao dia mahatratra roa isan’andro izany raha kely. Nisy tamin’izy ireo no efa niakatra fitsarana mihitsy toy ireo tranga nisy famonoana sy fandratrana vehivavy, raha voalamina tao an-toerana ihany ny sasany. Maro ireo antony miteraka ity fifandirana eo amin’ny mpivady ity, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny voamieran’ny fandriampahalemana ao an-toerana. Ireo lehilahy mifehy toko, izany hoe : tsy mety manome vola nefa tsy miresaka no tena betsaka raha misy ihany koa ireo vehivavy miady ho loham-pianakaviana. Mety mampigadra anefa ireny fifamalian’ny mpivady ireny, indrindra fa raha amin’ny alina. Manomboka amin’ny 07 ora hariva no hatao hoe : alina hoy ny kaomisera iray ka tsy azo hatao intsony manomboka eo ny manakorontana ny fiaraha-monina. Raha maromaro ny olona mivondrona mitory ireo mpivady manao izany fihetsika izany hoy hatrany ity kaomisera ity dia tsy maintsy hampanantsoina izy ireo ary hanaovana fanadihadiana. Mikasika ireo môtô scooter voasavan’ny mpitandro ny filaminana eny rehetra eny dia nambaran’ity kaomisera ity fa anisan’ny antony mahatonga izany ny fahafantarana fa anisan’ny fitaovana hampiasain’ireo mpanao ratsy indray amin’izao ny môtô rehefa hanafika na hanao zavatra izy ireo. Mikasika ny fisavana kara-panondro indray dia nambarany fa efa fihetsika mahazatra hataon’ny mpitandro ny filaminana izany hanavahana ny vary sy ny tsiparifary.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.