Actualités

Adin’ny FAT sy ny mpampianatra Tsy raikitra ny fanadinana teny Vontovorona


  • Talata 06 Jolay 2010

Tsy raikitra ny fanadinana ao amn’ny taona voalohany sy faharoa izay tokony ho nanomboka omaly. Ny antony dia nitokona ireo mpampianatra teny an-toerana izay nilaza fa tsy mbola nahazo ny ampahan’ny tambin-karamany tamin’ny taona 2008-2009.

Dia toeram-pianarana tsy nisy na inona na inona, arak’izany, no novantanin’ireo mpianatra marobe omaly. Raha ny fantatra dia hisy anio ny fivoriana eo amin’ny roa tonta mba hahafahan’ireo mpampianatra manazava bebe kokoa ny anton’ity fitokonana izay ataony ity. Manaraka izany dia efa hatramin’ny 24 jona teo no nanomboka ny fitokonana rehefa tsy nahazo valiny mahafa-po avy amin’ny ministera tompon’andraikitra ny fikambanan’ireo mpampianatra eo anivon’ny polytechnique etsy Vontovorona. Ny hany simba voalohany amin’ity raharaha ity dia ny mpianatra izay tsy manan-tsiny akory. Eo ihany koa ny mety ho fikorontanan’ny fandaharam-pianarana satria marobe ny fihemorana mety hitranga. Hatreto, tsy mbola nisy ny daty nivoaka ny momba ity fihemoran’ny fanadinana ity. Ary ny tena ahian’ireo mpianatra dia ny tsy hisian’izany mihitsy, na ny marimarina kokoa ny mety hisian’ny taona fotsy amin’ity taom-pianarana ity. Asa izay mety ho vokatry ny fivoriana anio eny amin’ny CUR etsy Vontovorona raha hiteraka vahaolana na tsia. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT