Nahazo fiarabe mpamono afo vaovao voina vaovao iadiana amin’ny fahamaizana mety hitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina ny orinasa ADEMA eny Ivato.
Angady nananana sy vy nahitana izany ry zareo avy amin’ny seranam-piarama-nidina Saint Pierre Pierre Fonds ao amin’ny Nosy rahavavy La Réunion tafiditra ao anatin’ilay fiaraha-miasa avy amin’ny seranam-piaramanidina aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina mampiasa am-pahany na manontolo ny teny Frantsay. Nandray ny fanalahidin’ny fiara tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro tamin’izany Rajoelison Andrianary Rado, sekretera jeneraly eo anivon’ity ministera iray ity izay nanamafy fa tena ilaina tokoa ny fananana fiara mpamonjy voina tahaka izao ho fiarovana ny ain’ny mpandeha ho an’ny fitaterana ana habakabaka. Nambaran’Andriamefy Herison, tale jeneralin’ny orinasa ADEMA kosa fa anisan’ny fepetra tena takian’ny “Aviation Civile de Madagascar” ny fananana fitaovana tahaka izao, indrindra fa ho an’ny seranam-piaramanidina lehibe. Raha vidiana anefa io fiara mpamonjy voina vaovao io dia mahatratra hatrany amin’ny 300 tapitrisa Ar saingy nomena maimaim-poana isika hoy hatrany izy. Nomarihiny manokana moa fa ireo seranam-piaramanidina lehibe eto amintsika ihany hatreto no manana fiara mpamonjy voina. Anisan’izany ny ao Nosy-be. Efa nanana ihany koa ny seranam-piaramanidina tao Mananjary sy Fianarantsoa saingy nalefa ao Toliara sy Tolagnaro indray izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.