Actualités

Adala mirenireny eto an-drenivohitra Ny fanjakana no tompon’andraikitra voalohany


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Mitombo isa hatrany ireo olona adala mirenireny eto an-drenivohitra sy ny manodidina tato ho ato.

Misy amin’izy ireny no mandratra olona na mamono mahafaty mihitsy, toy ilay nitranga teny Soavimasoandro, tamin’ny herinandro lasa teo. Raha ny fanazavan’ny talen’ny BMH, Atoa  Herivonona Durand Deris,  izay sampandraharaha iray misahana ireny olona tsy salama saina ireny, miaraka amin’ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, dia anisan’ny antony tsy ahafahana mandray an-tanana azy ireny, ny fepetra napetraky ny toby fitaizana olona tsy salama saina eny Anjanamasina. Tsy afaka mandray ireny karazan’olona ireny mantsy ity toby ity, raha tsy manana fianakaviana izy ireny. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy manana fianakaviana avokoa ireo olona tsy salama saina eto an-drenivohitra. Ankoatra izay, efa nisy ny volavolan-dalàna noketrehin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amintsika mikasika ny fandraisana an-tanana ireny olona tsy salama saina ireny. Ny momba ny fiarovana ny zon’izy ireny anefa no tena betsaka fa tsy hita taratra loatra ao anatin’io volavolan-dalana io ny fiarovana ny ain’ireo olona misambotra azy ireny sy mitondra azy eny  amin’ny toby Anjanamasina. Nijanona teo ny fiketrehana io volavolan-dalàna io, ary tsy nisy nikitika intsony, efa ho  herintaona izao. Notsindriany manokana fa samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra manomboka any amin’ny fianakavian’ireny olona marary saina ireny, ny fokontany, ny kaominina, ny polisy monisipaly sy ny nasionaly, ny BMH, ny mpamonjy voina, indrindra fa ny fanjakana.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT