Actualités

ACOA Modely Mihitsoka tanteraka ny volan’ny mpikambana


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Tsy mety milamina ny olana eo anivon’ny ACOA Modely Ampasimazava sy ny sampany ao Bazary kely - Toamasina. Samy mitazona izay lazainy fa marina ny an-daniny tarihan’ny Otiv Littoral sy ny an-kilany misy ny foiben’ny ACOA Mangarivotra.

Nisy ny talata maraina teo “sit-in” nataon’ireo mpikambana ao amin’ny ACOA Modely Bazary kely nanairana ireo mpitantana mba hanokafana ny “caisse”. Nambaran’ireo mpikambana fa mazava ny tenin’ny sampandraharaha mpanara-maso ny asan’ny fampiasam-bola madinika (AGPMF) fa “raha misy korontana eo anivon’ny Caisse iray dia maha ela na mampihantona ny famoahana ny fahazoan-dalana hiasa ara-dalàna ataon’ny fanjakana izany. Aminay mpikambana amin’ny ACOA Modely dia tetika ataon’ny Otiv Littoral izao entina hanakanana io fahazoan-dalana io ho an’ny Caisse safidinay mpikambana”. Herinandro lasa koa anefa izay no niezaka nandamina ny raharaha ny AGPMF nahitana ny sekretera mpanatanteraka, ny fitsarana tao Toamasina, ny faritra atsinanana ary ny OTIV Littoral sy ny Acoa Mangarivotra. Nandritra izay no nifandaminan’ny rehetra fa hatsahatra aloha ny antsojay samy hafa, ny fifampitoriana eny amin’ny fitsarana, ny fakana “ordonnance” isaky ny mihetsika ary ny fibodoana ny Caisse ka ao anatin’izay dia mampiantso fivoriana itambarambe ny mpikambana ny AGPMF sy ny faritra amin’ny alalan’ny fampiantsoana ny mpikambana atao amin’ny “ordonnance” ny fitsarana, ka izay fihaonambe izay no handraisan’ny mpikambana ny heviny mikasika ny fandaminana ny disadisa.

Nandritra izay, na tsy nivoaka aza ny fehin-kevitra farany, dia nivoaka ny efitrano fivoriana ny ekipan’ny OTIV Littoral notarihan’ny filohan’ny komitim-pitantanany. Tsy nisy 24 ora taorin’izay akory anefa, dia efa nisy nitondra “ordonnance” nanokatra ny “caisse” tao Ampasimazava. Misokatra izy ireo izao nefa tsy ny mpikambana rehetra koa no mahazo vola fa vitsy ihany satria ilay vola tokony hampiasaina tsy mbola tafavoaka eny anivon’ny banky. Vokatra izay dia voatery mikatona ny “caisse” Bazary kely ka izao mampitaraina ny mpikambana izao. Mihasarotra noho izany ny raharaha ACOA sy OTIV Littoral ary ny mpitantana milaza ho ara-dalàna tarihan’ny Giovanni. Milaza ny hampiantso fihaonambe farany izay haingana noho izany ny AGPMF sy ny faritra Atsinanana ka ho hita eo izay ho tapaky ny mpikambana araka ny lalàna mifehy azy ireo.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT