Natao ambany faneva omaly zoma indray ny miaramila niisa 150 lahy tao amin’ny kianjan’ny Akademia miaramila Antsirabe.
Ny Jeneraly Rakotonirina Leon Richard, kaomandin’ny Akademia miaramila sy ny Kolonely Sahivelo, kaomandin’ny ENSOA no nitarika ny lanonana tamin’izany. Ao anatin’ny kilasy 2015/1 ireto zatovo ireto rehefa nahavita ny fiofanana ara-miaramila nandritra ny 90 andro araka ny mahazatra. Raha ny fanazavana nomen’ny Jeneraly kaomandin’ny akademia miaramila dia ampy hiatrehan’izy ireo ny 24 volana hanaovany ny fanompoam-pirenena ny fiofanana azon’izy ireo, ka aorian’izay dia mety misy ampahany manohy ny maha miaramila matihanina azy izy ireo na tsia. Marihina moa fa mizara roa mazava ireto zatovo ireto ka ny 100 dia hanao ny fanompoam-pirenena ao amin’ny Akademia miaramila, ary ny 50 kosa dia ao amin’ny sekolin’ny manamboninahitra lefitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.