“Accréditation”

Sekoly ambony tsy miankina Sarotra tanterahana ny fepetra takian’ny ministera


  • Zoma 10 Septambra 2010

21 amin’izao fotoana ireo sekoly ambony manana ny «homologation» avy amin’ny fanjakana, izany hoe : eken’ny ministeran’ny fampianarana ambony ny fandaharam-pianarany sy ny diplaoma omeny.

Mivondrona ao anatin’ny AEESPHM izy ireo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ity fikambanana ity dia saika ny bacc +2 ihany no ananana “homologation” afa tsy sekoly vitsy dia vitsy. Miomana amin’ny fivadihana amin’ny «accréditation» moa ny AEESPHM ankehitriny, araka ny takian’ny ministera. Raha ny fanazavan-dRamanana, tomponandraikitra ao amin’ny sekoly “Infotour” dia ao anatin’ny fifandresen-dahatra amin’ny ministera indrindra izy ireo amin’izao fotoana satria misy amin’ireo fepetra napetraky ny fanjakana no tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny sekoly. Tsy maintsy misy mpampianatra raikitra manana ny diplaoma doctorat iray faraharatsiny, ohatra, vao mahazo manokatra ny bacc +5 ny sekoly. “4 hetsy sy 1 tapitrisa ariary anefa ny karaman’ny mpampianatra manana io maripahaizana io, kanefa tsy anananay izany vola izany”, hoy ny talen-tsekoly iray. Tsara ny manamarika fa ny “accréditation” dia manome fahafahana ny mpianatra hanohy ny fianarana any ivelany ary tsy mamerin-taona izy amin’izany.

Manatontosa hetsika fanampiana ny mpianatra amin’ny fisafidianana ny sekoly ambony tiany hanohizany ny fianarany ny AEESPHM mandritra ny hateloana. Hetsika mitondra ny anarana «salon de l’AEESPHM 2010» izay ahitana mpandray anjara 5 dia ny IMT, ny INFOTOUR, ny EUROI, ny ISPM ary ny HECMMA. Tsy hita tabilao kosa ireo mpikambana sasany izay tsy nahazoana fanazavana ny antony satria tsy tao an-toerana rahateo ny tomponandraikitra voalohany. Tsy nahasakana ireo tanora ho tonga maro hangataka fanampim-panazavana momba ny lalam-piofanana natolotr’ireo mpandray anjara anefa izany.  

Légende: Vitsy ny mpandray anjara fa maro ny mpitsidika
 
Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT