Nanakoako ny hira fiderana an’Andriamanitra niarahana tamin’ny AAMA Gospel (Akon’ny Antsivan’ny Maritioran’Ambodiafontsy) avy eo anivon’ny fiangonana FJKM Ambodiafontsy ny harivan’ny sabotsy teo tetsy amin’ny CC ESCA
Antanimena. Nasain’ny fiangonana FJKM Kristy Fanantenana Antohomadinika hiaraka hankalaza ny faha-15 taona niorenan’ny Antsan’ny Fanantenana antoko mpihira ao aminy mba hanampy azy ireo hanafana ny fotoana. Hira valo teo ho eo no novetsoin’ny AAMA GOSPEL izay ahitana tanora manodidina ny 50 isa saingy noho ny fangatahan’ny mpijery dia nitombo hatrany izany ka ny masoandro nody no nampalahelo. Isaky ny alahady hariva dia mandeha mitory mitety fiangonana ny AAMA GOSPEL. Tanjon’izy ireo moa ny hitory ny hatsaran’Andriamanitra hatrany am-paran’ny tany ka amin’ity taona ity dia anisan’ny tanjona lavitr’ezaka hotontosainy ny fivoahana any Paris sy Afrika Atsimo ary Soisa. Omaly alahady izy ireo dia tany amin’ny FJKM Miarinarivo Betafo Filadelfia no nanatontosa izany asa fitoriana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.