Actualités

677 795 325,11 Ar voahodinkodina tao Antsirabe Voasaringotra ny Ben’ny tanàna


  • Zoma 14 Jolay 2017

Volabe mitentina 677 795 325,11 Ar nanjavona tao amin’ny kaontin’ny kaominina Ambonivohitra Antsirabe,

araka ny fanambarana an-taratasy nataon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola mitondra ny laharana 5308/17 tamin’ny 20 janoary 2017, saingy izao vao mivoaka ny resaka. Miisa 3 ireo olona voasaringotra dia Ravololonirina Noeline, mpanora-bolan’ny kaominina na “Regisseur” teo aloha sy ny ben’ny tanàna Razanakolona Andriamasitera Paul, tamin’ny anaran’izy ireo ny fahabangan’ny 431 177 460, 40Ar amin’io volabe io. Tafiditra ao anatin’ny raharaha ihany koa ny lefitra fahatelon’ny ben’ny tanàna Randrianambinina Lucien, ka amin’ny anarany ny 54 310 343Ar. Mbola voatonona manokana fanindroany ao anatin’ny sora-bola 192 271 521,71Ar indray ny Ben’ny tanàna Razanakolona Andriamasitera Paul. Voalaza fa efa mandeha any amin’ny tribonaly ny raharaha. Raha ny loharanom-baovao iray, dia ezahina hafenina na dia afera maloto goavana aza. Mety ho fanafenana ny marina tsy hiseho na koa fifanarahana ambadika ve no antony, ka ho vitavita mora foana ny raharaha ? Miandry izay ho tohiny ny rehetra. Mitovitovy amin’ny raharaha nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy ity raharaha ity. Izay ho fiantraikany eo amin’ny tontolo politika no tsy hay. Misy mpitondra ambony eto amin’ny firenena ve tafiditra ao anatin’ny afera, ka mety hiseho indray ny tsindry bokotra ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT