Actualités

650 Ar ny kapoakan’ny vary Mangina ny fanjakana, manaiky ny vahoaka


  • Talata 14 Novambra 2017

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fiakaran’ny vidim-bary ny isam-baravarana. Efa tafakatra 650 Ar ny iray kapoaka ho an’ireo karazam-bary zanatany toy ny vary gasy sy ny tsipala, ny makalioka izay hamidy 2.200 Ar ka hatramin’ny 3.000 Ar avy ny iray kilao.

 

Ny madrigal hamidy  550 Ar ny iray kapoaka  eny an-tsena raha 1.850 Ar ny iray kilao. Ny vary stock sisa no mba mora amin’ny ankapobeny izay hamidy 530 Ar ny iray kapoaka na 1800 Ar ny iray kilao. Antony tena mahalafo ny vary zanatany ny tsy fahampian’ny ranon’orana tamin’ity taona ity. Eo ihany koa ny fiakaran’ny vidin-tsolika, antony mampidangana ny saram-pitaterana ny entana avy any ambanivohitra. Voatery miaina amin’ny vary stock ny ankamaroan’ny olona. Ho an’ireo tsy mahazaka ity karazam-bary ity indray dia ny vary zanatany no tsy maintsy vidina saingy ahena  hatrany amin’ny antsasany ny habetsany ary fenoina hanikotrana toy ny mangahazo, indrindra fa ho an’ireo maro an-trano. Nomarihin’ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana fa mbola mety hiakatra ny vidim-bary amin’ny taona ho avy, indrindra amin’ny fotoana hahalanian’ireo tahirin’ny vary zanatany. Tsiahivina fa tsy nisy intsony ny andraikitra noraisin’ny fitondram-panjakana taorian’ny nanafaran’izy ireo ny vary stock avy any ivelany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT