Azo atao tsara ny mampandroso an’i Madagasikara sy manala ny vahoaka Malagasy ao anatin’ny fahantrana. Fanoitra fototra ho an’ny fampivoarana ny fiarahamonina Malagasy ihany koa ny fanandratana ny kolontsaina isam-paritra, hoy ireo mpikambana ao amin’ny “Planet Renew”.
Ilaina ny fifanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka vahiny fa zava-dehibe ny finiavana hanome lanja ny tohana avy amin’ireo sokajin-kery mahavita azy avy eto an-toerana. Miainga ao Atsimo Andrefana avokoa, ohatra, ny 45%-n’ny fanondranana karazana vatosoa manerantany fa tsy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka eny ifotony ny akon’izany satria manjaka ny fitrandrahana tsy ara-dalàna tontosain’ireo vahiny. Vitantsika tsara anefa ny manodina sy mitantana izany, hoy ity fikambanana ity. Manankarena ny firenena Malagasy amin’ny ankapobeny saingy sakana goavana ny tsy fahaiza-mitantana hisian’ny fampandrosoana mirindra sy mangarahara ary anjakan’ny tamberin’andraikitra lavitry ny kolikoly, araka ny fanazavana avy amin’ireo tompon’andraikitra misandrahaka amin’ny sehatra maro toy ny toekarena, ny fanabeazana, ny lalàna, ny ranomasina, ny fambolena sy fiompiana, ny fanajariana ny tany, ny harena ankibon’ny tany sy ny maro hafa. Nisongandina ireo fanehoan-kevitra ireo nandritra ny fihaonana andiany faharoa momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana notanterahana ny herinandro voalohan’ny volana marsa 2018 teo teto Antananarivo. Ity fikambanana ity moa no nisolotena ny faritra Atsimo Andrefana noho izy efa manana traikefa eo amin’ny fanatontosana tetikasa sy ny lafiny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mifototra amin’ny sehatra telo lehibe ny tarigetrany hatramin’ny nijoroana efa ho 20 taona mahery izao dia ny vonjy aina, ny fampandrosoana ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.