Actualités

43 miliara ariary nivoaka tao amin’ny minisiteran’ny atitany Tsy marina, hoy ireo teknisianina


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Anisan’ny resabe nitana ny sain’ny maro hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny fisian’ilay volabe mitentina 43 miliara Ar nivoaka an-tsokosoko teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany mba hanampiana ireo ben’ny tanàna manerana ny Nosy.

 Nitondra fanazavana mahakasika izany ireo teknisianina telo mirahalahy eo anivon’ity minisitera iray ity omaly ka nambarany fa  tsaho niniana naely sy hanakorontanana saim-bahoaka fotsiny ireny. Misokatra malalaka ho an’ireo izay mitady fanazavana, hoy Rakotojoelimaria Zo, anisan’ireo teknisianina nitondra fanazavana omaly  ny varavaran’ny minisiteran’ny Atitany. Ny minisitera tsy mitazom-bola fa sora-bola fotsiny no azo resahina ao. Any amin’ny tahirim-bolam-panjakana avokoa ny vola rehetra no mipetraka  izay mbola misy rafitra marobe arahina ihany koa vao azo havoaka fa tsy azoazo fahatany amin’izao. Nomarihiny manokana fa amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ireo no antony hijoroany. Miantso ny ben’ny tanàna rehetra mba tsy handairan’ny tsaho  Rakotojoelimaria, araka izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT