Mitombo hatrany ireo olona voan’ny SIDA eto amintsika. Mahatratra 39.000 ny isan’izy ireo raha 20.800 amin’ireo dia ny marary vaovao vao fantatra tamin’ity taona 2014 ity avokoa.
Ny lehilahy no tena maro an’isa amin’izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny komity nasionaly miady amin’ny aretina sida. Mahatratra 23.000 mantsy izy ireo ka ireo mihoatra ny 25 taona no tena betsaka indrindra izay mahatratra 15.210. 3.590 kosa ireo tovolahy kely 14 ka hatramin’ny 25 taona voan’ny SIDA raha 2.260 ireo vao teraka ka hatramin’ny 14 taona. Ho an’ny vehivavy kosa indray dia mitotaly 16.000 izy ireo. 2.220 ireo vao teraka ka hatramin’ny 14 taona voany, 3.510 ny 14 taona ka hatramin’ny 25 taona lasibatra, 12.300 ireo mihoatra ny 25 taona raha 1.480 ireo vehivavy mitondra vohoka. Antony mampahazo vahana ity aretina ity moa ny tsy fanaovana fitiliana ankoatra ny tahotry ny sasany hahalala ny toe-pahasalamany. Ny renivohi-paritany no tena betsaka voany raha, araka ny fantatra hatrany. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina SIDA ka tany Morondava no nanaovana ny fankalazana tamim-pomba ofisialy. Tsiahivina moa fa ny taona 1987 no nahitana voalohany ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH teto amintsika. Olona iray amin’ny 5.000 no voany ny taona 1989 izay lasa olona iray amin’ny 500 ny taona 2014. Mitotaly 0,30 % ireo tanora 15 ka hatramin’ny 49 taona voany ankehitriny, raha 0,20 % kosa ireo 15 ka hatramin’ny 24 taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.