Actualités

30%-n’ny zava-manan’aina eto Madagasikara Ahiana ho foana afaka 20 taona


  • Alarobia 11 Janoary 2017

Miha ratsy hatrany ny tatitra avoakan’ny avy eo anivon’ny WWF na ny sampandraharahan’ny firenena mikambana izay miompana amin’ny fikajiana ny zavaboary eto amintsika. Araka ny fanazavan’ny

 

tompon’andraikitra iray dia ahiana mihitsy fa afaka 20 na 25 taona any ho any dia ho foana ny 30%-n’ireo zava-manan’aina sy biby sarobidy eto amintsika raha toa ka mitohitohy ny fanimbana tontolo iainana izay mitranga amin’izao fotoana. Tokony handray anjara sy ahatsapa ny andraikitra tandrify azy ny olom-pirenena rehetra amin’ireo sehatra misy azy ireo avy. Tokony hisy ny fitandremana eo amin’ny fampiasana ny ala, fitandremana ny fahadiovan’ny rano, ny fanenana ny doro tanety sy izay rehetra mety azo atao hampihena ny fanimbana ny tontolo iainana.

Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT