Actualités

“3 mey” Mby aiza ny fahalalahana hahazo, hanome vaovao ?


  • Alatsinainy 03 Mey 2010

Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity anio ity. “Fahalalahana hahazo vaovao” no lohahevitra hanamarihana izany amin’ity taona ity. Ho an’i Madagasikara manokana dia ireo mpanao gazety zokiolona no manomana karazana dinika an-databatra boribory.

Ho an’ny minisitera FAT indray dia eo ny fanentanany ireo haino aman-jery sy gazety hanokana iray minitra fahanginana sy tsipika mainty, ho an’ireo mpanao gazety lavo teo am-perinasa. Fa mby aiza tokoa moa ilay hoe : fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika ity ? Raha ny hita sy niainana aloha dia tsy mbola nisy toy izay niseho tamin’iny taona 2009 sy tamin’ity 2010 ity raha izay fahalalahana izay no resahina. Tsy nisy izay tsy hita tao anatin’ny herintaona. Fanakatonana, fampihorohoroana, fandratrana, famoretana, fampidirana am-ponja, eny hatramin’ny famoizan’ny mpanao gazety ny ainy. Nihatra tamin’ny mpanao gazety Malagasy avokoa ireo. Tsy resahina intsony ny fahasarotan’ny fitrandrahana vaovao eny anivon’ireo biraom-panjakana isan-karazany, indrindra moa fa raha hitan’ireo mpitondra fa mamofona fanoherana ny heviny ny fanadihadiana hatao, na koa gazety na haino aman-jery heveriny fa mpanohitra azy dia mikatona tanteraka ny varavarana. Izany anefa no anisan’ny noventesina ‘fahiny’ na dia vao herintaona lasa aza izay, dia ny isian’izay “fahalalahana” izay. Mety samy manana ny handikany azy io teny io saingy ny tsapa aloha dia to tokoa ilay hoe fiovana teto Madagasikara. Ity gazety vakianao ity izao dia anisan’ny niharan’ny sivana, tsy afaka miditra amin’ny haino aman-jerim-panjakana noho ny filazana azy fa tsy mivoy ny hevitr’ireo mpitondra, manakiana ny FAT. Asa raha mba hitondra zava-baovao ity fanamarihana anio ity. Toa mba afaka niteny tamin’ny haino amanjerim-pirenena mantsy ny filoha teo aloha isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Inoana fa tsy hoe ho tonga ny 3” mey” dia natao izany fa enga anie hitohy mba tsy ho kobaka am-bava fotsiny toy ny hita tao anatin’izay herintaona izay indray. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT