Afaka 19 andro dia hanamarika ny faha-50 taonan’ny Fahaleovantena i Madagasikara sy ny Malagasy.
Raha ny fandehan-javatra tato anatin’ny herintaona izao dia niavaka hatrany ny nanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena satria ny ankamaroan’ny Malagasy dia samy mahatsapa fa tadiavin’ny sasany hotsinontsinoavina ny tolona nataon’ireo Malagasy tia tanindrazana taloha nitolona ho amin’izay fahaleovantena izay. Tamin’ny herintaona, tsaroana tsara, vao nafana ny fanonganam-panjakana, toerana roa samy hafa, dia ny teny Mahamasina sy teny amin’ny kianjan’ny Magro Ankorondrano no nanamarihan’Antananarivo ny 26 jona. Sambany teo amin’ny tantara ihany koa no nisiana baomba napetraka tanaty dabam-pako tamina fotoan-dehibe toy ireny. Nampiavaka ny tamin’ny taon-dasa ihany koa ny tsy fanatrehan’ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika ny lanonana, teo koa ny fahabangan’ny toeran’ireo raiamandreny ara-panahy avy amin’ny FFKM afa-tsy ny Arsevekan’antananarivo, Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène.
Ny amin’ity taona ity dia heverina fa mbola ho hafa kely ihany koa raha ny feo re etsy sy eroa. Ho an’ireo vahoaka mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny hialan’ireo mpanongam-panjakana dia hoe : “hanao fety lehibe amin’ny 26 jona”, araka ny lahatenin’i Olivier Rakotovazaha ny sabotsy lasa teo tao Behoririka. “Hampahalalana amin’izao tontolo izao fa an’ny Malagasy i Madagasikara fa tsy baikoan’ny Frantsay”. Eny anivon’ireo komity isa-pokontany sy eny an-kianja no hifampitan’izy ireo vaovao ho amin’izany, araka ny fanazavana ihany. Ao anatin’ny fanamarihana ny 26 jona ihany dia misy ampahany avy ao amin’ny tafika nilaza fa dia “tsy hisy 26 jona ho vanona izany eto”. Hafana ary ho hafa kely indray, araka izany, ny hanamarihana ny 26 jona 2010.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.