Actualités

26 Jona Fandaniana mihoapampana


  • Zoma 25 Jona 2010


Mahazendana ny zava-misy eto amintsika. Raha miezaka manao fitsitsiana be ry zareo Britanika izay anisan’ny firenena matanjaka indrindra eran-tany, eo koa ny Amerikana, ny Japoney ary ny Frantsay dia ny mifanohitra amin’izany kosa no miseho eto Madagasikara izay tany anisan’ny mahatra indrindra ary tena tra-pahasahiranana tanteraka ny mponina ao aminy satria nitombo izay tsy izy ny isan’ny mahantra, ny tsy an’asa ao aminy, ary nihamaro ireo mpatory an-dalambe. Ho an’i Frantsa, araka ny vaovao, ao anatin’ny fanamarihana ny 14 jolay, fetim-pirenena frantsay, dia nofoanana ilay garden party fanao ao amin’ny lapan’i Elysée amin’ity taona ity. Fitsitsiana daholo izany. Ankoatra izay, dia nohamafisin’ny avy ao amin’ny Elysée fa foana ihany koa ny fampisehoana maimaimpoana fanao isan-taona ny alin’ny 14 jolay eo an-pototry ny Tour Eiffel izay mahavory olona an-tapitrisany maro. Araka ny fanazavana manko dia teo amin’ny 750 000 euros latsaka kely teo no lany tamin’ilay garden party tao amin’ny lapan’i Elysée tamin’ny taon-dasa ary ny fampisehoana nataon’i Johnny Hallyday kosa dia nisanda 3 tapitrisa euros mahery. Ny Vaomiera eoropeana sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena no manara-maso an’i La Frantsa, hampihena ny fandaniana ataony, tahaka izay efa nataon’i Alemaina sy Angletera mba hanarenana ny fitantanam-bolam-panjakana.

Raha ny tetezamita malagasy kosa dia valalanina ny rehetra amin’izato ravaka hatao eny an-dalambe. Teo amin’ny 500 tapitrisa Ariary no sandan’ny afomanga ka Malagasy avokoa no nanao ny tolo-bidy, raha ny vaovao. ‘Appel d’offre restreint’ no natao tamin’izany kanefa raha io sanda io dia tokony ho tolo-bidy iraisam-pirenena no natao. Ankoatra ny afomanga dia eo koa ny hanim-pitoloha hatao eny Iavoloha sy ao Ambohitsorohitra, ny fanafarana ireo mpanakanto vahiny avy any ivelany. Ireo rehetra ireo tsy mbola nandalo teo anivon’ny tsenan’asam-panjakana kanefa, raha ny lalàna dia tokony handalo ao avokoa ny volam-panjakana mialoha ny fivoahany. Santionany amin’ny mety ho fandaniana tsy toko tsy forohana hataon’ny FAT ireo amin’izao 26 jona izao, hanakonana ny fahantrana mihatra isam-baravarana. Toa haitraitra milaro fandikan-dalàna no atao sy hatao eto amintsika. 

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT