Afaka efatra andro dia hankalaza ny fety niverenan’ny fahaleovantenany ny malagasy, tsy diso anjara amin’izany ny ao Toamasina.
Efa misikim-ponitra avokoa ireo mambra ny komity mpanomana manao izay hahatsara sy hahatontosa ny fety amin’ny laoniny, na kely sy tsy ampy aza ny vola entina mihetsika satria 10 tapitrisa ariary amin’ny vola 57 tapitrisa ariary no hany vao hita ; efa mihaingo sy noravahana avokoa ny araben’ny fahaleovantena, na tsy nisy aza tamin’ity taona ity ilay jiro manokana fametraky ny kaominina tao anatin’ny telo taona nifanesy izay. Ny podium ihany koa efa misy ny fanentanana isaky ny tolakandro eny amoron-dranomasina; ary ny araben’ny fahaleovantena dia nisy ny fanatsarana ny lalana tamin’ny fanampenana ireo lavaka niarahana tamin’ny orinasa colas araka ny fanampiana ara-bolan’ny tetikasa Ambatovy. Ny tsena goavana miisa 05 ao Toamasina renivohitra ihany koa dia efa mivolon’andro fety, efa miranty ny arendrina sy ny fitafiana samy hafa, manginy fotsiny ny sakafo miandry mpividy hanatsarana ny tsiron’ny fetin’ny fahaleovantena Malagasy. Ny afomanga ihany koa fantatra izao fa efa tonga ny alahady teo; araka ny fizarana dia samy hananana 1.000kg avokoa ny faritra afa tsy ny faritra Analamanga, ho 500kg kosa ny an’ireo distrika misy ary mety hahazo ny anjarany ireo kaominina ambara fa mendrika eto amintsika. Fanovana goavana koa ny afomanga ho an’ny faritra atsinanana, satria araka ny baikon’ny lehiben’ny faritra mba hitoviana amin’ireo distrika 07 mandrafitra azy, dia tsy ny 25 jona alina no anaovana ny afomanga fa hatao ny 26 jona alina manomboka amin’ny 07ora hariva kosa.
Eo izay rehetra izay, fa raha ny 72 ora nomen’ny Fikambanana Fiombonan’ny jerin’ny maro, izay nisolo tena ny vahoaka tsy faly amin’ny antsonjay sy ny zava-misy ara-politika sy sosialy ao Toamasina, dia tapitra omaly talata faran’ny tolakandro ity fe-potoana nomeny ity. Inona izany no hitranga manomboka anio ? “Ny toerana avoniagna tsy atôro ologno”, hoy izy ireo raha nanontaniana. Ny tena afo mololo mety hampirehatra ny fikorontanana, dia ity raharaha ACOA ity, efa nilaza mazava ireo tompom-bola fa “tsy hisy fety hilamina eto raha tsy azonay ny volanay mba hanaovanay fety tsara ihany koa miaraka amin’ny ankohonanay; nahoana ny sasany afaka manao fety milamina, izahay kosa hijery sy hitanaka vava hitazana ny manodidina hifilotra loaka matavy”. Nandritra ny fandalovan’ny praiministra tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo, dia nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpikambana sy ny governemanta, nefa toa tsy nahitam-bokany izany fa mbola handinika ny antontan-taratasy ny praiministra araka ny nambarany, ny tompom-bola anefa mitaky ny fampiharana ny lalàna efa misy sy nivoaka amin’ny famoahana ny volany, raha mbola misy fa tsy nanjavona teny amin’ny banky na ny trésor tokony ho namindrana azy.
Ny raharaha gadra politika sivily sy miaramila ary ny momba ny volan’ny antenimieran’ny varotra 1,4 arivo tapitrisa ariary nogiazan’ny ministera ny vola sy ny tetibola, dia longoa mitoto bozaka mirehatra ihany koa, ka ho hita eo raha hanipy solika handrehetana azy ny mpitondra isan’ambaratongany na hiezaka ny hamono azy amin’ny famahana ny olana sy ny fitakiana izay rariny amin’izao fetim-pirenena izao.
Efa hita mitety arabe ny Emmo-Reg ankehitriny, efa hambenan’ny mpitandro filaminana andro aman’alina koa ny lapan’ny tanàna hiasan’ny Pds sy ny lapan’ny faritra Atsinanana. Mitaintaina toa sahobakaka ambidiriana ny mponina eo am-piandrasana izay mety ho zava-miseho.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.