Actualités

250 000 000 Ar ho an’ny “CLD” Moto 9 no mba azon’ny distrikan’i Fandriana


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

250 tapitrisa Ariary ny vola natokana ho an’ny fampandrosoana ifotony amin’ny alalan’ny CLD (Comité Local de developpement) ho an'ny distrikan'i Fandriana. Tsy nisy afa-tsy “moto” vita sinoa miisa 9 no nandaniana ny vola, raha ny fampitam-baovao.

  Ny 6 tamin’ireo dia nozaraina amin'ny kaominina enina, ny 2 homena ny mpitandro ny filaminana, ary 1 an'ny distrika. vaky vava ny rehetra hoe fa dia ohatrinona loatra ny vidin'ny moto ? Ireo kaominina nangataka hanamboarana fotodrafitrasa niesona avokoa. Ireo aloha no hita fa zavatra nivaingana nandaniana ny vola, fa izay tany ambadimbadika tany na izay mety ho tohiny tsy hay. Efa tsy manantena zavatra hitsangana intsony anefa ny rehetra fa dia efa naman’ny nionona sy manahy hoe nisy ny mety kopaka isasahana na ny fanaboriana tsotr’izao ny vola, ka mba natao tapi-maso fotsiny ireo fitaovana vita sinoa novidiana fa ny ampahany betsaka efa najifa. Raha kajiana tsotsotra, 27,7 tapitrisa eo ho eo izany ny vidin’ny moto iray raha hambara fa lany nividianana izany ny vola. Tsy hay aloha na efa lany tanteraka na mbola mandeha ny fitantanana azy hanaovana zavatra hafa, na koa miandry izay sahy hiteny sy hamoaka ny marina vao hamoaka ny ambiny, saingy ny taom-piasana 2017 aza moa efa tapitra, ary ny tetibolam-panjakana 2018 aza efa vita. Mazava izany, fa mety nisy ny tetika fikasana fanodinkodinam-bola na efa ao anatiny mihitsy. Tsy nisy ny mangarahara matoa mivoaka ny resaka tamin’ity volabe natokana ho amin’ny fampandrosoana ifotony ity. Tsy vaovao eto amin’ny firenena intsony izany, ary ny any an-dapa mihitsy no efa fakan-desona. Hisy ve ny fanenjehana ireo rehetra voakasika raha voaporofo mazava ny fisian’ny fanodinkodinana ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT