Actualités

2013 Mbola hangotraka ny politika


  • Alarobia 02 Janoary 2013

Tahaka ny taona rehetra niainana nandritra ny tetezamita dia hafampana indray ny politika amin’ity 2013 ity.

 Andrasana voalohany amin’izany aloha ny tena fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina marina manoloana ny fifidianana. Taorian’ny fanambarana nataony tany Dar Es Salaam koa dia dingana manaraka irosoan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fiverenany eto an-tanindrazana ary mbola nanamafy izany ny hafatra nalefany ny sabotsy lasa teo. Tsy tokony hisy olana intsony mantsy ny fodiany, rehefa nilaza izy fa tsy ho kandida, raha tsy hoe izy amin’ny maha Marc Ravalomanana azy, mihitsy no tsy tian’ny sasany hanitsaka ny tanin’i Madagasikara na dia ny sombiny fotsiny aza. Fa tantara mitohy, mahaliana ny mpanara-baovao koa ny ady efa vaky eo amin’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo.

Hita ho toa tsy mety intsony ny firaha-miasa eo amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina sy ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Beriziky Jean Omer. Matetika ity farany no milaza ho gaga, na tsy resy lahatra mihitsy aza amin’ny fanapahan-kevitr’itsy voalohany. Efa hatry ny ela moa no nahoraka be fa voadingana foana ny praiminisitra isaky ny misy fanapahan-kevitra lehibe raisina fa tonga dia ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpanolotsaina akaiky azy ary ireo minisitra mahazo avara-patana aminy no mandidy manapaka. Nialoha ny faran’ny taona teo dia nandeha be ny feo fa mikononkonona ny hanala an’ny praiminisitra Beriziky ireo mpanao politika sasantsasany akaikin’ny filohan’ny tetezamita, ka manamboninahitra jeneraly avy amin’ny zandarimariam-pirenena, no mety hasolo azy. Fifanolanana tsy mety vita koa no misy eo amin’ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo sy ny CST Alain Ramaroson. T

sy mbola nifandray vozon’akanjo aloha ny roa tonta, hatreto, fa kosa efa nifamaly tamin’ny alalan’ny gazety sy haino aman-jery. Samy vonona hiaro tena hatramin’ny farany ny fahitana azy mirahalahy ireto, ary hita fa mety ho lasa lavitra ny raharaha raha tsy mahay mampihavana na mahita vahaolana haingana mampitony ny fon’ny andaniny sy ny ankilany ny filohan’ny tetezamita. Hita nanomboka tamin’iny 2012 iny ny fivakisan’ny ankolafy Rajoelina tsikelikely sy ny fivoahana tsiambaratelo maro samihafa, raha atao ny kaonty dia efa tena manify ny mpanao politika tena resy lahatra fa mahavita azy ny filohan’ny tetezamita, ary raha toa ka misy ny fitsimbadihan’ny tantara tampoka, dia azo antoka fa tsy hisalasala ny hamadika palitao ao anatin’ny indray mipi-maso izy ireo. Fa ny tena hanamarika ity taona 2013 ity dia ny fifidianana, izay hosantarina amin’ny 8 mey ho avy izao, saingy izao dia efa mandeha indray ny ritsoka fa mety tsy voahaja indray, hono io tetiandrom-pifidianana efa nifanekena io.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT