Actualités

17 taona nahamay ny Rova Mody fanina ny tetezamita, fa nahoana ?


  • Talata 06 Novambra 2012

Feno 17 taona amin’ity anio ity no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana. Niniana nodorana moa ny Rova ary efa nisy ireo olona 20 mianadahy nidoboka any am-ponja noho izany.

 Na izany aza anefa dia maro no mihevitra fa mbola miriaria any ho any ny tena atidoha nikotrika azy iny, ary heverina fa nisy ambadika politika ilay izy. Ankehitriny dia vita amin’ny antsasany ny fanarenana ny Rova, ary raha ny tena marina dia noho ny asa natomboky ny fitondrana Ravalomanana no nahavitana izany fa tsy araka ny heverin’ny sasany hoe nandritra ny fitondrana tetezamita. Nisy ihany ny tsipaipaika natao tamin’ny 1995, saingy tsy fantatra marina izay tena nalehan’ny volabe voaangona teo Mahamasina. Tsapa ihany koa fa tsy nanana ny fahavononana hanarina ny Rova mihitsy ny amiraly Ratsiraka raha tafaverina teo amin’ny fitondrana ny taona 1997. Asa koa na fifandrifian-javatra na ahoana fa dia niaraka rava tamin’ny Rovan’i Manjakamiadana ny fitondran’ny Profesora Zafy Albert.

Tokony efa vita tanteraka tamin’ity taona ity ny fanarenana ny Rova raha tsy nisy ny krizy nanomboka tamin’ny 2009. Ankehitriny dia mbola volabe no tadiavina indray, ary voalaza fa mbola ananan’ny orinasa Colas volabe amina miliara ny fanjakana Malagasy, amin’ny asa vitany hatreto. Tetikasa efa natomboka tamin’ny 2004 ny fanarenana ny Rova, ary raha nisy aza ny krizy dia nanana vola ihany ny fitondrana tetezamita saingy naleon’i Andry Rajoelina nananganana fotodrafitrasa vaovao mihitsy tahaka ny kianja sy hopitaly ary fanaovam-pety izany toa izay mba nandrimbinana kely nanohizana ny fanarenana ny Rova.

Io anefa no anisan’ny tena hahafantarana an’i Madagasikara ary afaka mampiditra volabe amin’ny kitapom-bolam-panjakana raha vita sy voakarakara tsara, satria manintona mpizahatany maro dia maro, tahaka ny hoe Tour Eiffel ao Paris na ny Maison Blanche any Washington. Amin’izao fotoana, sady tsy vita ny fanarenana ny Rova, no tsy hita popoka ny satroboninahitry ny mpanjaka vavy fa dia ny dika mitovy no nasolo azy. Azo heverina ary fa mety noho ny fitarazohan’ny asa sy ireo olana ara-bola maro samihafa mifandraika aminy, no nanapahan’ny fitondrana tetezamita hevitra fa tsy hisy ny fanamarihana manokana ny nahamay ny Rova amin’ity anio ity, ireny niaraha-nahita ireny Atoa Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny, tamin’ny 2010, nianjaika tahaka ny mpanjaka, ka nanao dia an-tongotra niainga teny Manjakamiadana ka hatreny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, raha nametraka ny Repoblika faha-4 (?). Tamin’ny 2011 dia nanatrika ny fampirantiana sary sy tantara tao Anatirova ihany koa izy mivady ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohan’ny Repoblika faha-4, tonga anefa ny 2012 dia odiana fanina ny fahamaizan’ny Rova. Tsy mazava mihitsy e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT