Actualités

14 jolay Tsy hamaly ny fanasana ireo Parlemantera legalista


  • Talata 13 Jolay 2010


Rahampitso 14 jolay no hanamarihana ny fetim-pirenena frantsay. Toy ny isan-taona, dia hisy lanonana manokana ho amin’izany hatao eny amin’ny masoivoho frantsay eny Ivandry ka hanasan’ity farany ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena. Anisan’ireo nahazo fanasana ho amin’io lanonana io ireo solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy telo. Araka ny fantatra àry, dia tsy hanatrika ny lanonana ireo depiote sy loholona. “Herintaona sy tapany no nampijalian’ny Frantsay an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Noho izany dia tsy hisy Parlemantera na iray aza ho eny Ivandry”, hoy ny solombavambahoaka lany tany Arivonimamo, Rodin Rakotomanjato. Fantatra moa fa ho an’ny lanonana any Parisy dia nasaina handray anjara amin’ny matso ny solontenan’ny tafika Malagasy, tsy tao anatin’ny lisitr’ireo filoham-panjakana nasaina kosa anefa ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT