«Tsingerin-taonanay ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena fa tsy an’i Frantsa», hoy ny masoivoho ivoarianina any Paris, ingahy Kipré, tao anatin’ny gazety boky Jeune Afrique, izay nanazavany ny antony tsy nanatrehan’ny filohan’i Cote d’Ivoire, Laurent Gbagbo izany lanonana izany.
Somary mangatsika rahateo moa ny fifandraisana eo amin’i Frantsa sy Cote d’Ivoire. Nanome toky i Frantsa fa tsy hitsabaka intsony amin’ny raharaham-pirenena afrikanina, kanefa toy ny mifanohitra amin’izany no mitranga, hoy ny sasany. Betsaka tokoa ireo nanakiana ny filoha frantsay tamin’ny nanasan’i Frantsa ireo firenena zanatany hanatrika sy handray anjara amin’ny matso fanamarihana ny fetim-pirenena frantsay.
Fikambanana tsy miankina maromaro no nanao fihetsiketsehana satria heverin’izy ireo fa mpamono olona sy olo-meloka amin’ny fanitsakitsahina ny zon’olombelona ireo nasain’i Frantsa. Ho an’ny antoko sosialista frantsay moa dia heverin’izy ireo fa tsy fotoana ary tsy toerana tokony nanaovana ireny iny 14 jolay nanasana ny Afrikanina zanatany fahiny iny.
Nambaran’ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy moa fa fanamarihana ny fanamafisan’ny fifandraisana mampifandray an’i Frantsa sy ireo zanataniny no antony nanasany an’i Bénin, Burkina Faso, Cameroun, Centrafrique, Congo, Gabon, Mali, Mauritanie, Niger, Sénégal, Tchad, Togo, Côte d’Ivoire ary i Madagasikara. Nilaza koa ingahy Sarkozy fa nisy ny tsy rariny sy ny fahadisoana nitranga nandritry ny fanjanahantany. Nanambara ny filoha frantsay fa hafa mihitsy ny fifandraisana eo amin’ny firenena 2 tonta. Manana trosa amin’i Afrika i Frantsa. Araka ny didim-pitondrana navoakan’ny Filankevitra momba ny lalampanorenana frantsay ny 28 mey lasa teo dia voalaza fa hampitoviana ny fisotroan-drononon’ireo Bekotro maroholatra rehetra, na avy aiza izy na avy aiza. Araka izany dia olona telo alina maneran-tany no hahazo tombontsoa amin’izany.
Nohamafisin’i Sarkozy ihany koa fa dia hanampy amin’ny fampandrosoana ireo firenena afrikanina i Frantsa ka vola hatrany amin’ny 180 tapitrisa euros no hanofanana tanora afrikanina dimy alina ato anatin’ny telo taona. Ho an’ny teto Madagasikara manokana dia tsindrom-paingotra no nataon’ny masoivoho frantsay Chataîgner ho an’ny FAT. Nilaza moa izy fa dia miray feo amin’ny SADC, ny Vondrona afrikanina, ny Vondrona eoroepeanina, ary ny GIC i Frantsa amin’ny fikaroham-bahaolana. Tokony hisy koa ny mangaraharaha amin’ny fitantanam-bolam-panjakana hoy izy, tokony hofaizina ihany koa ny rehetra voarohirohy sy tompon’antoka amin’ny fandravana ny andramena ; tokony hohajaina koa, hoy izy ny fanehoan-kevitra sy ny fahalalahana. Nambaran’i Chataigner ihany koa fa dia mandrangitra ady an-trano ny mpanohitra, tokony himasoana, hoy ihany izy ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy ka tsy tokony hiziriziriana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.