Actualités

11 desambra fetin’ny Repoblika faha-IV Nianatra ny ankamaroan’ireo sekoly miahy tena


  • Alarobia 12 Desambra 2012

Maro tamin’ireo sekoly miahy tena na tsy miankina teto afovoan-tanŕna sy tany amin’ny manodidina tahaka an’Avaradrano no nanokatra ny sekoliny avy omaly ary nampianatra ny kilonga tao aminy ohatra an’ireny andro andavanandro ireny ihany.

 Ny vitsivitsy nanontaniana nivantana tamin’izy ireny dia nilaza fa tsy mbola ao anaty kalendriem-pampianarana ity fety ity ka manelingelina fandaharam-pianarana fotsiny. Ny mpampianatra ao amin-dry zareo rahateo mpandray vola isan’ora hampianarany avokoa ka tapaka ho azy ny karamany raha vao misy andro tsy hianarana tahaka izao nefa tsy mba misy fanampiana azo avy amin’ny fanjakana foibe na ny ministera mpiahy akory. Tsy mitombina amin’izy ireo ny hoe : andro tsy hiasana nefa andraisan-karama. Fahatelo dia maro tamin’izy ireo no ao anaty fanatanterahana fanadinana famaranana ny telovolana voalohany ka tsy te-hanapatapaka izany. Ny maromaro tamin’izy ireo koa aza dia nilaza fa nanonitra ireo andro tsy nianarana tao ho ao tamin’io omaly io.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT