Malagasy ny 8%-n’ireo vatan-dehilahy nandray anjara tamin’ny ady lehibe voalohany teo anivon’ny foloalindahy Frantsay. Mpisava lalana avokoa ny 34.000 tamin’ireo 41.000 mahery nanampy
tosika an’ny reny malala nandritra ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. Mbola misy moa ankehitriny ireo Bekotro maroholatra vavolombelona tamin’izany na eto Antananarivo na any amin’ny faritra hafa. Torak’izany ihany koa ireo tsangambato nanamarika ireo zava-niainan’ireo mpiady tranainy lovain’ny fianakavian’izy ireo. Nampirantiana teny amin’ny Ofisy nasionalin’ireo Bekotro maroholatra sy lasibatry ny ady teny Anosy nandritra ny roa herinandro nifarana ny 14 aogositra 2015 teo moa ireo sary miaraka amin’ireo porofo tsy manam-paharoa nandritra ny fifandonan’izao tontolo izao tamin’ny 1914-1918. Hisy rahateo ireo hetsika hafa hanamarihana ny faha-100 taonan’ny ady lehibe voalohany hatramin’ny 2018 manerantany. Hisantarana izany ny fitokanana tsangambato ao Toamasina ny 9 oktobra 2015, toerana voalohany niverenan’ireo maherifo Malagasy arahin’ny arabe mihazo eny Avaradoha Antananarivo.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.