Nanomboka ny zoma14 aogositra teo ny 100 andro napetraky ny zandarimariam-pirenena hanafoanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny manodidina toy ny eny
Anosizato, Ambohibao, Soamanandrariny, Ankadindratombo, Andoharanofotsy, Itaosy....Ary dia hita tokoa fa tsy dia nisy intsony ireo fitohanana be maharitra ora 2 tahaka ny nahazatra hatramin’izay.
Azo alamina tsara
Tsara ilay hetsika ary samy nahita ny vokany ireo rehetra mivezivezy mivoaka sy miditra ny renivohitra, saingy ny nahagaga dia ny hoe fa nahoana no noferana 100 andro ilay izy ? Tsy azo tohizana sy atao fomba fiasa ve izy io satria misy foana ny fiara mifamezivezy isan’andro eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ? Voaporofo koa izao fa rehefa miasa araka ny tokony ho izy ny mpandamina ny fifamoivoizana (polisy sy zandary) dia mirindra sy misosa tsara ilay izy. Mampieritreritra ihany koa ny hoe : efa hiditra amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika afaka 100 andro (3 volana) ka tsy hisy hetsika fandaminana ny fifamoivoizana isan’andro intsony ary ve rehefa tonga io fotoana io satria avy ny orana ? Sa ve efa lamaody ny resaka 100 andro ka samy mba manao an’io daholo aloha ny rehetra . Vahaolana mahomby no sady maharitra no tadiavin’ny rehetra fa tsy sanatria zavatra natao vonjy tavanandro mba hampitoniana amin’ny fotoana voafetra ny saim-bahoaka fotsiny ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.