Actualités

10 taona ny Bianco Tsy nahafa-po ny vokatra


  • Talata 15 Septambra 2015

Niaiky Atoa Jean Louis Andriamifidy, tale jeneralin’ny Bianco nandritra ny tatitry ny asa vitany taona 10 voalohany nijoroany fa tsy mbola namaly ny hetahetan’ny vahoaka ny asa vitan’izy ireo.

 


Porofo lehibe mitohoka amin’ny tendany ny mbola mampihazohazo ireo mpamatsy vola hanampy an’i Madagasikara satria amin’ny tatitra ataon’izy ireo ihany koa dia hita taratara ao ny fanamarihan’izy ireo amin’ny mbola anjakan’ny kolikoly amin’ny sehatr’asa maro samihafa sy ny tsy fisian’ny fanjakana tsara tantana eto Madagasikara.

Nandritra izany tatitra izany dia misy tarehimarika vitsivitsy izay naneho ny asa vitan’ny Bianco ka teo amin’ny fitarainana miisa 3 368 voarain’izy ireo dia 1 043 no azo nanaovana fanadihadiana ka ny 650 no isan’ny antontan-taratasim-pitoriana vita fanadihadiana. Niaiky koa ny tale jeneralin’ny Bianco fa mbola maro ireo asa tokony ho natao saingy tsy vita ary mety tsy hanana fahefana ny hahavitana azy noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy indrindra ny vola hoenti-miasa. Tsy misy afa tsy 2.811.730.00 Ariary ny tetibola iasan’ny Bianco ary tao aorian’ny fangatahan’izy ireo vao mba niakatra ho 4.172.205.00 Ariary izany. Iaraha-mahalala fa tsy mahavita n’inon’inona firy akory izany raha mitaha amin’ny fidadasiky ny asa miandry ny Bianco.

 Tsy mbola kivy anefa ny eny amin’ny “Villa La Piscine” Ambohibao fa mbola nametraka fanamby vaovao ho an’ny 10 taona manaraka ka voafaritra ao anatin’izany ny fanovana izay kasaina hatao eo anivon’ny Bianco sy ny “Chaine pénale” sy ny fanentanana ny tompon’andraikitra ara-panjakana tsirairay hatrany amin’ny Filoham-pirenena ny mba handray andraikitra amin’ny ady amin’ny koikoly.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT