Actualités

«1 mey» tany Toamasina «Mikarama ho an’ny sakafo sisa ny mpiasa Malagasy»


  • Alatsinainy 03 Mey 2010


Tao anatin’ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena, dia tsy mitsahatra ny nitotongana ny asa Malagasy. Ny miasa mba ho velona sisa no ao an-tsain’ny mpiasa, fa ilay filôzôfia midika fa fahalalahana eo amin’ny maha olona dia tsy hita intsony, hany ka lasa amin’ilay hoe «30 andro fanjava araiky sisa ny asa malagasy». Izay no nambaran’ireo sendikan’ ny mpiasa malagasy nanao ny valandresaka momba ny “1 mey” tao Toamasina ny sabotsy teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny lycée tsy miankina «Price» Ambolomadinika. Raha ny resaka karama fototra fotsiny izay tena fitarafana ny toerana misy ny asa Malagasy, dia tena «ampiasaina» fa tsy mba «mpiasa» intsony ny mpiasa Malagasy ankehitriny, hoy ireo fikambanana misahana ny mpiasa. Raha 3.533 ariary io karama fototra io ny taona 1970 dia vary 504 kg no azony ho an’ny tokantrano Malagasy, raha 56.028 ariary kosa izany ny taona 2000 dia tsy nahazo afa-tsy vary 127 kg ary raha latsaka kely ny 80.000 ariary ity karama fototra ny mpiasa ity ny taona 2010 dia tsy mahazo vary afa tsy 80 kg eo fotsiny sisa amin’ny ankapobeny. Vokany, miasa hividianana sakafo fotsiny ny ankamaroan’ny mpiasa izao, hany ka adino avokoa ny fototra hijoroan’ny fianakaviana sy ny zo fototra eo anivon’ny tokantrano Malagasy. Ny fiafarany dia tsy maintsy mitrosa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT