Niavaka ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andina, distrikan’Ambositra ny alakamisy lasa teo.
Fitsaboana nify maimaimpoana notanterahina tao amin’ny “Centre de Santé Communautaire” Ampasina Andina mantsy no nentina nanamarihana izany, niarahana tamin’ireo mpitsabo nify andiany faharoa avy any Alemaina izay marihina fa vehivavy avokoa. Miisa enina izy ireo no nanatanteraka ny asa tamin’izany raha an-jatony maro kosa ireo vehivavy tonga nanohana ny antso. Raha araka ny fantatra mantsy dia mbola betsaka amin’ireo mponina ao amin’ity kaominina ity no ratsy nify noho ny antony maro samihafa. Narahina fizarana zanaka kafe ho an’ireo vehivavy an’arivony tonga tao amin’ity kaominina ity izany izay marihina fa maimaimpoana avokoa, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ny profesora Rakotozandrindrainy Raphael izay nanomana ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.