Nankalaza ny 03 mey, andro maneran-tany ho fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny mpanao gazety sy mpiasan’ny serasera rehetra tao Toamasina.
Niavaka ny tamin’ity taona ity, niara-nientana nanadio sy nanavao ny tsangambaton’ny zon’olombelona eo amin’ny araben’ny fahaleovantena no nanombohana ny hetsika, taorian’izay ny fotoam-pivavahana, natao tao amin’ny fiangonana Anglikana Santa Jakoba, izay notronin’ny lehiben’ny faritra atsinanana Alain Mahavimbina sy ny ben’ny tanàna Dr Rakotomanana Gérvais ary ny tale iraisam-paritry ny serasera Avizara Priscilla. «Fantaro ny zavatra rehetra, ka azony mafy izay tsara… fadio ny milaza lainga. Irak’Andriamanitra hampita vaovao sy hitondra ny zava-misy marina ianareo, tahaka ny nataon’ny zanak’Andriamanitra naniraka ny apostoly», hoy ny solontenan’ny presibiteran’ny fiangonana Santa Jakoba izay nitondra hafatra ho an’ny mpanao gazety sy mpiasan’ny serasera tao Toamasina. Ho an’ny lehiben’ny Faritra kosa dia nambarany fa «zo takiana isan’andro ny fahalalahana ho an’ny mpanao gazety». Na izany aza anefa, ho an’ny Ben’ny tanàna Dr Rakotomanana Gervais dia «rano sy vary ny mpitondra sy ny mpanao gazety, ka tsy afaka hifanary, ny iray mpanome ny tsara ho fantatra, ny faharoa kosa mpampita izany ho tonga any amin’ny vahoaka hiantefany». Ny tale iraisam-paritry ny serasera Avizara Priscilla kosa nilaza sy nitondra hafatra ho an’ny mpitondra fa «ho taratry ny fahalalahan’ny mpanao gazety ny fanadiovana sy fanatsarana ny tsangambaton’ny zon’olombelona izay nataonay, ka isaky ny mahita azy io ny mpitondra dia tokony hahatsapa fa misy fahalalahana voahitsaka tokony homena eto ho an’ny mpanao gazety ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.