• Zoma 11 Jolay 2014
Actualités.Sefo Fokontany any Alaotra Mangoro Nandray ny karamany telo volana

Tambin-karama nanomboka ny volana Desambra 2013 hatramin’ny febroary 2014 io natolotra tamin’izy ireo. Ireo sefo Fokontany sy ny lefiny avy amin’ny Fokontany miisa 705 mandrafitra ny Faritra Alaotra Mangoro no nizarana izany nanomboka omaly.....

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Jolay 2014
Actualités.Hain-trano tetsy Tsaramasay Nodimandry ny roa tamin’izy telo mirahavavy

Nindaosin’ny fahafatesana omaly tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina Ralison Valimbavaka, ilay zandriolona, 9 taona, tamin’ireo telo mirahavavy iray tampo, may kila forehitra tao anatin’ny hain-trano nitranga teny Tsaramasay Ankazomanga, Boriborintany Voalohany Antananarivo Renivohitra, ny talata 8 jolay vao mangiran-dratsy.....

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Jolay 2014
Actualités.AFT Andavamamba Hampiranty ny sangan'asan'i Donn

Hanomboka anio alakamisy 10 jolay etsy amin’ny AFT Andavamamba ary hitohy hatramin’ny 26 jolay ny fampirantiana ny sangan’asan’i Donn izay nampitondrainy ny lohahevitra hoe : “Vina na Rêve”........

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Jolay 2014
Actualités.Zazavavy 9 taona nisy naka an-keriny Afaka nandositra dia voavonjy ihany

Trangan-javatra nampitaintaina fatratra ity niseho tetsy Andohatapenaka Boriborintany I teto Antananarivo ny talata 08 jolay lasa teo ity. Raha iny nivoaka ny vavahadin-tsekoly fianarany iny ny tovovavy kely iray vao 9 taona monja dia nobedain’ny lehilahy roa nirijarija avy amin’ny sandriny ilany avy ka notereny hanaraka azy ireo ka tsy afa-nanoatra. Nisy namany iray nivandravandra an’ireto olon-dratsy nahita izany fa norahonan’izy ireo dia lasa ry zareo....

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Jolay 2014
Actualités.CEPE 2014 Vokatra toy inona no hivoaka eo ?

Ny talata 15 jolay 2014 izao no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana ofisialy voalohany eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara na ny CEPE.....

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Jolay 2014
Actualités.CSB II Milamaina Fandriana Vy indray no akora ampiasain’ny FID anaovana fotodrafitrasa

Ny tobim-pahasalamana ambaratonga faharoa ao Milamaina Distrikan’i Fandriana izay notokanana tamin’ny zoma 04 jolay lasa teo no anisan’ireo asa namboarin’ny FID nampiasana vy ho akora fototra amin’ny fanaovan-trano

Hamaky ny tohiny
FTT