• Talata 16 Septambra 2014
Actualités.Ray nivaro-janaka Zazavavy 12 taona namidy 400 000Ar

Asa na noho ny fahantrana na fitiavam-bola diso tafahoatra na efa tena aretin-tsaina mihitsy fa zazavavy 12 taona (teraka ny 25/04/2002) no namidin’ny rainy niteraka azy 400.000Ar. Ny sabotsy lasa teo no nitrangan’izany tany amin’ny fokontany Antsahamantsavana kaominina ambanivohitr’i Antindra Sambava.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Septambra 2014
Actualités.AMPASIKA Ankizilahy roa nandroba fiara, saika matin’ny daroka ny iray

Lasa jiolahy hatramin’ny ankizy amin’izao. Vokatry ny fahantrana, ny fifohana rongony no antony. Maro ny velon-taraina amin’iny faritra 67 ha Atsimo sy Antetezana Afovoany hatreny Ampasika iny fa mirongatra ny sinto-mahery,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Septambra 2014
Actualités.BAR mivoha mihoatra ny amin’ny 9 ora alina Mety hiafara amin’ny fanakatonana ny hamafisan-dohan’ny mpivarotra

Mbola misy hatrany ireo toeram-pisotroan-toaka mivoha mihoatra ny amin’ny 9 ora alina eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Septambra 2014
Actualités.AMPASIKIBO - TOLIARA - Zazavavy tsy ampy taona voaolana sady bevohokan-drainy

Ny rainy niteraka azy ihany no nahabevohoka sy nanolana an-janany vavy 17 taona. Tsy miafina amin’ny mpiara-monina sy ny manodidina intsony ao amin’ny fokontany Ampasikibo Toliara, ny fiarahan’izy mianaka ireto, efa ho roa taona izao.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Septambra 2014
Actualités.Campus Barikadimy Niala ireo mpianatra, goavana ny asa fanarenana

Taorian’ny fivoahan’ilay didy nitsipaka ny fangatahan’ireo mpianatra mikasika ny fampiatoana ny fanalana azy ireo, teo anivon’ny fitsarana momba ny ady amin’ny fanjakana Toamasina dia niroso tamin’ny asa fanalana ireo mpianatra tsy mety miala eo anivon’ny Campus Barikadimy ny oniversiten’i Toamasina sy ireo mpitandro ny filaminana mitambatra. Tsy nisy ny « sakoroka » sy ny olana fa nilamina ny fanalana ireo mpianatra « tara » fialana natao.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Septambra 2014
Actualités.Jirama Mihodina ao anatin’ny fatiantoka

Tsy mba voakasiky ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy ny Jiro sy Rano Malagasy, araka ny adihevitra hita tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray.

Hamaky ny tohiny
FTT