• Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.FANOMANANA NY FIFIDIANANA Hametrahana fitaovana fikirakirana valim-pifidianana ny isam-paritra

Ny 17 jolay 2015 izao no hanatanterahana ny fifidianana kaominaly eto Madagasikara. Efa manomana izay indrindra ny vaomiera misahana ny fifidianana ka hametrahana fitaovana fikirakirana ny valim-pifidianana ny isam-paritra manomboka amin’ity volana janoary ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Fetin’ny Asaramanitra Tsy nohadinoin’ny Hafari Malagasy ireo zokiolona

Zokiolona hatrany amin’ny 400 niampy mpikambana mpandraharaha ao amin’ny birao eny Anosizato sy mpanao gazety mpiara-miasa ihany koa no notoloran’ny Hafari Malagasy akoho sy gana ho solombodiakoho noho ny tonon-taonan’ny Asaramanitra tamin’ny sabotsy faran’ny herinandro teny teny Anosizato

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Fiarana zandary nifaoka olona Tapa-tongotra ilay mpanao gazety

Avy nitrandraka vaovao ireto mpanao gazety roa lahy avy amin’ny fahitalavitra TVM sy kaominina ambonivohitra Mahajanga no nodonin’ny fiarana zandary teo amin’ny Bois Sacré ny marainan’ny talata tokony ho tamin’ny 11ora antoandro teo

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Fomba fikabarin’Ambohimanarina Hampianarina holovain-taranaka

Naseho tao amin’ny Akany Nirina, teo amin’ny vohitr’Ambohimanarina, ny sabotsy 17 janoary teo ny “Zanak’Ambohimanarina Enin-dray Enin-dreny Mikabary”. Izy ireo dia hanandratra avo ny soatoavina ao amin’ny tontolon’ny kabary ary hampianatra sy haneho ny hasina sy ny fomba

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Neny Tina Nilaza fa nisehoan’i Jesosy ary nomeny hafatra

Ny alin’ny 31 desambra 2014 teo no voalaza fa nisehoan’i Jesosy tamin’i Neny Tiana mpanompon’Andriamanitra. Raha ny voalazany dia nisy ny hafatra voarainy tamin’izany entina haparitaka sy zaraina amin’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 21 Janoary 2015
Actualités.Harena voajanahary Trandrahana ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana

Tsy manakana ny fitrandrahana ireo harena voajanahary eto Madagasikara ny fitondram-panjakana malagasy, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana, Ekolozy ary ny Ala Ramparany Anthelme

Hamaky ny tohiny
FTT