• Alakamisy 12 Febroary 2015
Actualités.Rarison Hilarion “Tsy ho lasa lavitra ity fitondrana ity”

Mbola mitaky hatrany ny fahalalahana ho an’i Dada isika, hoy Rarison Hilarion tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly na inona na inona filazan’ny gazety fa tsy avela hanao politika izy. Tsy nampoizin’ny olona teny Itaosy tamin’ny alahady ny fahatongavany nivavaka teny ka rehefa nivoaka ny fiangonana izy dia niara-nivoaka taminy avokoa tsy nisy nijanona tao am-piangonana intsony

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Actualités.Mponin’ny «La Réunion kely» Miandry azy ireo ny eny Soaniedanana

Anjara biriky nentin’ny Hafari Malagasy ny mifanome tanana amin’ny mpitondra fanjakana sy sehatra tsy miankina hanampiana ireo mpiara-belona ny tetikasa fifindra-monina an-tanàn-dehibe eny Soaniedanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Actualités.Novah Dakoto Niverina niaka-tsehatra indray

Nanakoako tao amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro indray ny faran’ny herinandro teo ny hiran’i Novah Dakoto “Miveregna aty Antsihanaka”, rehefa tsy re firy nandritra ny roa taona sy tapany. Taorian’ny fahavoazana nanjo azy dia maro ireo mpanakanto nanavao io hirany io saingy hafa ihany ny tompony mikalo azy, hoy ny mpankafy. Hetraketraky ny sasany no niteraka tsy fahasalamana teo amin’ity kintan’ny kanto avy any Antsihanaka ity

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Actualités.Ravelonarivo Jean Nohamafisin’ny HCC ny maha Praiminisitra azy

Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana tamin’ny fanapahana 12-HCC/D3 noraisiny ny 11 febroary 2015 fa dia mifanaraka tsara amin’ny lalampanorenana ny didim-panjakana 2015-021 tamin’ny 14 janoary 2015 manendry ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Depiote miisa 48 no nandefa taratasy tany amin’ny HCC tamin’ny 23 janoary 2015,

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Actualités.Takaitra navelan’i FUNDI tao Toliara 6 no maty, 23 820 ireo traboina

Nahazoana tarehimarika vonjimaika indray ny takaitra navelan’ny rivodoza Fundi tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Hatramin’ny omaly, enina no maty, raha 23 820 ireo traboina

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Febroary 2015
Actualités.Tovolahy voaroaka tamin’ny asany Maty namono tena nitelina poizina

Mitombo isa tato ho ato ny tanora tsy mahatanty onjam-piainana ka mamono tena. Tovolahy iray 27 taona monina etsy 67 ha no maty nitelina poizina, afak’omaly alina. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany dia noho ny famoizam-po vokatry ny fandaozany ny asany (voaroaka) ny zoma lasa teo no nanosika ity tovolahy ity nanapitra ny ainy izao

Hamaky ny tohiny
FTT