Nahazoana tarehimarika vonjimaika indray ny takaitra navelan’ny rivodoza Fundi tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Hatramin’ny omaly, enina no maty, raha 23 820 ireo traboina
. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana kosa dia mbola betsaka ireo toerana dibo-drano na dia nisy aza ny fitrohana izany tamin’ny « moto pompe » tolo-tanana nataon’ny mpandraharaha ao Toliara. Raha ny vaovao azo farany dia raikitra ao Fianarantsoa fa tsy mbola tonga any Toliara ny fiarabe nitondra ireo fitaovana hitrohana ny rano miandrona mamoaka fofona maimbo manempotra amin’izao. Efa mba niaina kely ireo traboina fa nanomboka afak’omaly ny fizarana fanampiana ho azy ireo, ary tonga tany Toliara mihitsy nitondra izany ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC sy ny minisitry ny asam-panjakana Maharante Jean de Dieu, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.