Mbola mitaky hatrany ny fahalalahana ho an’i Dada isika, hoy Rarison Hilarion tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly na inona na inona filazan’ny gazety fa tsy avela hanao politika izy. Tsy nampoizin’ny olona teny Itaosy tamin’ny alahady ny fahatongavany nivavaka teny ka rehefa nivoaka ny fiangonana izy dia niara-nivoaka taminy avokoa tsy nisy nijanona tao am-piangonana intsony
ny mpino nanotrona satria tsy adinon’ny teny an-toerana ny soa vitany. Nanenina izay olona nivadika taminy amin’izao fotoana izao. Ry zareo nandinika io lalàmpanorenana io ihany no mifampitory etsy sy eroa ankehitriny. Momba ny zava-nisy teny Tsimbazaza omaly dia nambaran’Atoa Rarison Hilarion fa tsy mbola nisy ohatr’ireny teto ambonin’ny tany, fa olona asainao izao dia tsy avelanao hiteny hanao ny tatitra nifanarahana. Latsaka an-katerena ny firenena, hoy ity MCT teo aloha ity. Tsy isika movansa Ravalomanana no mamalifaty fa izy samy izy ihany. Manahy aho fa tsy ho lasa lavitra io fitondrana io. Izao no vokatry ny voka-pifidianana nataon’ny iraisam-pirenena anterisetra. Mibaribary izao ny zavatra nataon’i Kolo Roger ka anjaran’ny fanjakana ny mandray andraikitra. Mety amintsika io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.