Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana tamin’ny fanapahana 12-HCC/D3 noraisiny ny 11 febroary 2015 fa dia mifanaraka tsara amin’ny lalampanorenana ny didim-panjakana 2015-021 tamin’ny 14 janoary 2015 manendry ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Depiote miisa 48 no nandefa taratasy tany amin’ny HCC tamin’ny 23 janoary 2015,
mba hanamarinana raha voahaja ny lalàmpanorenana tamin’ny nanendrena ny praiminisitra. Mazava iny ny valiny, ary tsy misy fampakarana ara-pitsarana hafa azon’ireo mpangataka atao. Praiminisitra ara-dalàna ny jeneraly Ravelonarivo Jean. Efa fantany mialoha ve io valin-tenin’ny HCC io ka nahatonga azy nanao fanambaram-pananana iray andro mialoha ny nivoahany ? Maninona ihany koa no taorian’ny tsy nahafahan’ny praiminisitra namelabelatra teo anoloan’ny solombavambahoaka ny paikady hanatanterahan’ny governemantany ny politika ankapoben’ny fanjakana no namoaka ny didy ny HCC ? Sa mba fifanandrifian-javatra fotsiny ihany avokoa izany ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.