Actualités

Tovolahy voaroaka tamin’ny asany Maty namono tena nitelina poizina


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

Mitombo isa tato ho ato ny tanora tsy mahatanty onjam-piainana ka mamono tena. Tovolahy iray 27 taona monina etsy 67 ha no maty nitelina poizina, afak’omaly alina. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany dia noho ny famoizam-po vokatry ny fandaozany ny asany (voaroaka) ny zoma lasa teo no nanosika ity tovolahy ity nanapitra ny ainy izao

 

 

. Nanomboka ny sabotsy teo izy dia nivarilavo nisotro sy niboboka toaka ary mila vaniny amin’olona isaky ny mamo. Ny alatsinainy hariva, nifamaly tamin-dreniny ny tenany izay efa mamo tampona. Samy gaga anefa ny rehetra nony naraina ny andro fa vatana mangatsiaka tsy nisy aina no novantanina. Nomarihan’ny loharanom-baovao fa manana olana ara-tsaina ity tovolahy ity ary misy andro mihetsika ny aretiny, ka matetika tsy tompon’ny tenany izy ka manaotao foana. Mety ho izay koa no antony nandroahana azy.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT