Actualités

Novah Dakoto Niverina niaka-tsehatra indray


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

Nanakoako tao amin’ny renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro indray ny faran’ny herinandro teo ny hiran’i Novah Dakoto “Miveregna aty Antsihanaka”, rehefa tsy re firy nandritra ny roa taona sy tapany. Taorian’ny fahavoazana nanjo azy dia maro ireo mpanakanto nanavao io hirany io saingy hafa ihany ny tompony mikalo azy, hoy ny mpankafy. Hetraketraky ny sasany no niteraka tsy fahasalamana teo amin’ity kintan’ny kanto avy any Antsihanaka ity

 

. Zovy no tsy ho taitra rehefa mandre ny “Miveregna aty Antsihanaka” nanomboka ny taona 1978. Niverina niaka-tsehatra indray ny lehilahy ankehitriny. Tsy mbola miverina tanteraka anefa ny fahasalamany fa mbola ao anatin’ny fanohizana fitsaboana ny tenany. Vola betsaka no ilaina hanatanterahana izany koa miantso ireo izay malala-tanana ny izy sy ny fianakaviana. Nisy ny fitia tsy mba hetra nataon’ireo ben’ny tanàna sy olom-panjakana any an-toerana hoentina hanampiana an’i Novah Dakoto amin’ny fitsaboan-tena ataony. Velom-pisaorana ireo rehetra nanampy azy sy ny mbola hanampy azy i Novah Dakooto ary mino sy manantena ny tenany fa hiverina tsy ho ela ny tanjaka sy ny fahasalamany.

                                                                       NiryA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT