• Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Fikambanan’ny mpaka sary mpanao gazety Hiezaka ny ho matihanina hatrany

Notanterahina tetsy amin’ny Piment Café -Behoririka ny sabotsy lasa teo ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015 ireo mpikambana mpaka ny sary amin’ny asa fikirakirana ny serasera rehetra eto Antananarivo

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Fitrandrahana hazon’ny Kaominina Naaton’ny Distrika sy ny rano sy ala

Naaton’ny Lehiben’ny Distrika sy ny tompon’andraikitry ny Rano sy ala ao Antsirabe ny fitrandrahana ny ala taoy Andraikiba sy ny tao amin’ny tendrombohitra Ivohitra. Tsy ara-dalàna ny fitrandrahana sady tsy nahazoana alalana, hoy Rtoa Andriatomponera Nalisoa, Lehiben’ny Distrika. Tompon’andraikitra feno amin’ny fitantanana ny fananany ny kaominina ka rehefa manohintohina ny filaminam-bahoaka dia tsy maintsy handraisana fepetra.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Fitsaram-bahoaka tany Antsirabe Lehilahy 50 taona namaky trano, matin’ny daroka

Mirongatra indray ny vaky trano amin’ny alina ao amin’ny fokontany Ambohimena. Saika isak’alina dia hitrangan’izany raha ny fanamafisan’ny lehiben’ny fokontany. Ny alin’ny zoma 13 febroary 2015 lasa teo dia tokantrano iray no saika hotafihan’ny mpamaky trano niisa 3 lahy. Efa nihainohaino ny mponina io alina io satria ny alin’ny alakamisy dia nisy lakozia iray novakian’ny jiolahy ka bisikileta sy vilany no nalain’izy ireo

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Tezitra ny olona any Maroantsetra Nafahan’ny fitsarana ilay nandona zaza 3 taona

Ny 16 janoary teo no nitrangan’ny loza raha iny nandeha mafy sy mitsangana ambony moto mampidera ny fahaizany ity tovolahy 25 taona, izay midedaka amin’ny mpiara-monina azy fa mpanam-bola sy mahalala olona ambony maro

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Traboina any Menabe Nampaherezin’ny filoham-pirenena

I Morondava, Belo Tsiribihina, Mahabo ary Miandrivazo, izay faritra samy voa mafy noho ny fandalovan’ny rivodoza Chedza farany teo no notsidihan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina notarihany nahitana ny praiminisitra sy minisitra vitsivitsy ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Kaominina ambonivohitra Mahajanga Ho hentitra amin’ny fitakiana ny hetra

Ny volana febroary ity no nanombohan’ny hetsika fitakiana ny hetran-tany sy ny trano ny taona 2010 sy ny 2011 izay paikady iray entina hampandrosoana ny kaominina ambonivohitra Mahajanga. Ny fanarenana ny kaominina no tena antony hanaovana ity hetsika fitakiana ny hetra ity satria dia ny 60%-n’ny vola miditra ao amin’ny kaominina dia hetran-trano sy tany avokoa.

Hamaky ny tohiny
FTT