Actualités

Fitrandrahana hazon’ny Kaominina Naaton’ny Distrika sy ny rano sy ala


  • Alatsinainy 16 Febroary 2015

Naaton’ny Lehiben’ny Distrika sy ny tompon’andraikitry ny Rano sy ala ao Antsirabe ny fitrandrahana ny ala taoy Andraikiba sy ny tao amin’ny tendrombohitra Ivohitra. Tsy ara-dalŕna ny fitrandrahana sady tsy nahazoana alalana, hoy Rtoa Andriatomponera Nalisoa, Lehiben’ny Distrika. Tompon’andraikitra feno amin’ny fitantanana ny fananany ny kaominina ka rehefa manohintohina ny filaminam-bahoaka dia tsy maintsy handraisana fepetra.



 
Niteraka resabe tao Antsirabe ity fandripahana hazo tao Andraikiba sy Ivohitra ity, izay saika ireo fikambanana sy ONG samihafa tao Antsirabe no namboly azy na dia tanin’ny kaominina aza izany, dia ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ranon’Andraikiba sy ny tendrobohitry Ivohitra no nanaovan’ireo fikambanana maro samihafa ireo izany ka nahasarotiny azy ireo. Niaiky ny tsy fanarahan-dalàna nataony moa ny mpitantana teo anivon’ny kaominina satria na dia tsy mbola nivoaka aza ny fahazoan-dalana hikapa ireo hazo izay tena tokony hokapaina dia efa nanaram-po tanteraka ilay mpandraharaha nomena izany an-tsokosoko. Nanaiky izy ireo ny hanarahana ny fenitra sy ny fanomanana ireo hazo hovolena ho solon’ireo nokapaina saingy dia mbola miandry aloha satria mihantona ny fanapahana ireo ala amina toerana roa ireo. Fantatra fa havadika kitay haiditra ao amina orinasa iray ao Antsirabe ireo hazo ireo, izay manjifa kitay manodidina ny 60 taonina isan’andro ka mitady kitay etsy sy eroa hihodinan’ny orinasany.

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT