I Morondava, Belo Tsiribihina, Mahabo ary Miandrivazo, izay faritra samy voa mafy noho ny fandalovan’ny rivodoza Chedza farany teo no notsidihan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina notarihany nahitana ny praiminisitra sy minisitra vitsivitsy ny faran’ny herinandro teo.
Nahita maso ny fahasimbana ny filoha, nitondra fanampiana ho an’ireo traboina ka nisy ny fizarana ireo sakafo tena ilaina maika, nomena vola 5 tapitrisa ariary tsirairay ihany koa ireo toerana notsidihana mba hanatanterahana ny HIMO na asa tanamaro ho fanampiana ireo mponina. Amboarina ny lakandranon’i Dabara, hanampy ny fanjakana malagasy ihany koa amin’ny fanarenana ireo sekoly ao Miandrivazo ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD. Niantso ny rehetra mba hahay hanaja ny tontolo iainana moa ny filoham-pirenena. Izay ihany, hoy izy, no fomba hisorohana ny fahavoazana ateraky ny rivodoza tahaka izao. Nambarany fa zava-dehibe ihany koa ny fahaizana mampiasa araka ny tokony ho izy ny rano sy ny fikojakojana ireo fitaovana sy fotodrafitrasa momba ny rano. Nanindry manokana ny maha zava-dehibe ny fampihavanam-pirenena ihany koa nandritra izao fitsidihany tany Menabe izao ny filoham-pirenena.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.