Ny volana febroary ity no nanombohan’ny hetsika fitakiana ny hetran-tany sy ny trano ny taona 2010 sy ny 2011 izay paikady iray entina hampandrosoana ny kaominina ambonivohitra Mahajanga. Ny fanarenana ny kaominina no tena antony hanaovana ity hetsika fitakiana ny hetra ity satria dia ny 60%-n’ny vola miditra ao amin’ny kaominina dia hetran-trano sy tany avokoa.
Midika izany fa io no mamelona ny kaominina amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ary ny fanajariana ny tanàna, hoy ny Pds Mahajanga i Tia Solomanga Heriniaina. Hiova ny toerana fandoavana ny hetra ho an’i Mahajanga. Lasa eny amin’ny biraon’ny tahirim-bolam-panjakana no mandoa azy io ary hahazoana rosia. Efa miparitaka manerana ny fokontany ireo mpiasan’ny kaominina mitondra ireo fanambarana fandoavan-ketra ka ny fokontany Mahajanga be no nisantarana azy. Hisy ny fepetra ho an’ireo tsy mandoa ny hetra ary ho hentitra ny kaominina amin’ireo tsy mandoa. Mandritra ny hetsika fitakiana dia hisy olona tsotra hiara-kiasa amin’ny kaominina mba ahafahana mitaky ny hetra ka mitondra taratasy ho fanamarinana fa tena mitaky hetra izy ireo mba ialana amin’ny fisolokiana mety hiseho. Fantatra fa hoentina hanatsarana ny tanàna sy handoavana ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina ny vola voaangona.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.