Actualités

Tezitra ny olona any Maroantsetra Nafahan’ny fitsarana ilay nandona zaza 3 taona


  • Alatsinainy 16 Febroary 2015

Ny 16 janoary teo no nitrangan’ny loza raha iny nandeha mafy sy mitsangana ambony moto mampidera ny fahaizany ity tovolahy 25 taona, izay midedaka amin’ny mpiara-monina azy fa mpanam-bola sy mahalala olona ambony maro

. Nandritra izay no nandonany ity zaza 3 taona milalao eo amin’ny lalam-pasika manoloana ny fefin’ny tranon’ny ray aman-dreniny. Maty tsy tra-drano moa ilay zaza, ary tsy sahy nihazona ilay nitondra ny moto tao amin’ny « violon » ny mpitandro ny filaminana noho ny tahotra ity tovolahy milaza azy ho mpanam-bola ity. Ny zoma teo indray raha niakatra fitsarana heloka bevava ny raharaha dia tsy nisalasala ihany koa ny fitsarana ny namotsotra azy tsotra izao. Tezitra noho izany ny fokonolona ka tsy mbola fantatra izay ho tohiny. Ny angom-baovao no nahalalana fa nisy baiko niainga avy any « ambony » ka namotsoran’ny fitsarana ity tovolahy namono olona ity. Fantatra koa fa ny 98%-n’ireo moto miasa ao Maroantsetra dia tsy misy misoratra amin’ny kaominina Maroantsetra sy amin’ny sampandraharahan’ny fifamoivoizana ary eo anivon’ny trano fiantohana any an-toerana.

 
 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT